4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vol2. anjarako - Ny Antsa Fitiavana

Reférence :

(Sal 73:25-28)

“Fa na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.”

      

--------------------------------------------------------------------



1. Ny sentom-poko injao tsy mety hangina

Itarainako Aminao : ampahoriana

Mitady aharombaka ahy ny hakiviana

Manonja anie ity ranobe

Ka mba toneo





2. Efa nalaim-panahy hanontany rahoviana ?

Sa lasan’ny hafa avokoa ireo fitahiana

No feranao handalo izay fifaliana

Tsy fantatro fa hiandry aho

Hatoky Anao





MANANTENA AHO TOMPO O ! FA IANAO NO ARO SY HERY

IANAO HANORINA FANJAKANA MAHARITRA, RAHATRIZAY

KA NA HO LEVONA NY NOFOKO SY FOKO

HO VATOLAMPIKO SY ANJARAKO

IANAO MANDRAKIZAY





3. Ny zoky zandriko, sy ireo nihaviana

Mandà, mahavaky fo, sahy manakiana

Hoe angano sy tantara ny Aminao Jesoa

O! mba iantrao, dia iasao

Hanaiky Anao



MANANTENA AHO TOMPO O ! FA IANAO NO ARO SY HERY

IANAO HANORINA FANJAKANA MAHARITRA, RAHATRIZAY

KA NA HO LEVONA NY NOFOKO SY FOKO

HO VATOLAMPIKO SY ANJARAKO

IANAO MANDRAKIZAY



CANON :



Fa Hianao hianao

No mbola antenaiko

Maharitra rahatrizay  ouh! ouh!

Ka na ho levona sy tsy ho hita intsony ny nofoko

Eny Hianao hianao

Satria Hianao no anjarako

Hiandry aho, ho Anao mandrakizay



Tonony sy Feony : RAKOTONANAHARY Fanomezantsoa Haritiana

(oct 2005)

Partager vol2. anjarako

Commenter vol2. anjarako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite